<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>315</hymn_number>
<title>Ry Ziona, mitsangana, ka mihazava izao FFPM315</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Ziona, mitsangàna,
 Ka mihazavà izao ;
 Andrandrao ny fahazavana,
 Izay miposaka aminao

[V2]
 Maizina ny firenena
 Amin-tany fantatrao,
 Fa tsy manam-pamonjena,
 Nefa ankohonanao

[V3]
 Atopazy re ny maso !
 Marobe ny zanakao ;
 Toy ny tany feno hazo,
 Eo anatrehanao.

[V4]
 Asandrato ny fanilo
 Hanazava lavitra,
 Mba ho marobe no hino,
 An'Andriamanitra.

[V5]
 Ry Jesosy, notahianao
 Anie ny lovanao ;
 Olo-maro izay irinao,
 Taomy mora ho Anao.</lyrics>
<author>C.F. Witt</author>
</song>